Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-17 @365
Herinandro faha-3 @52 |

Salamo 34

Salamo abidy. Fisaorana sy anatra nataon'izay efa novonjena tamin'ny fahoriana
1 Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. 2 Jehovah no reharehan'ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay. 3 Miaraha mankalaza an'i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
4 Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra. 5 Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany. 6 Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra.
7 Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy. 8 Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. 9 Matahora an'i Jehovah, ianareo olony masina;fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy. 10 Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
11 Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo. 12 Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa, 13 Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. 14 Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany. 15 Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. 16 Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy. 17 Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. 18 Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
19 Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany. 20 Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza. 21 Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina. 22 Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago