Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-76 @365
Herinandro faha-11 @52 |

Salamo 136

Fankalazana an'Andriamanitra noho ny nanaovany izao rehetra izao sy ny nanavotany ny olony
1 Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony. 2 Midera an'Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony. 3 Miderà ny Tompon'ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;
4 Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 5 Izay nanao ny lanitra tamin'ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 6 Izay namelatra ny tany ho ambonin'ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 7 Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 8 Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 9 Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 10 Izay namely ny voalohan-terak'i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony) 11 Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 12 Tamin'ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 13 Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 14 Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 15 Fa nanary an'i Farao sy ny miaramilany tao anatin'ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 16 Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 17 Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 18 Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 19 Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 20 Sy Oga, mpanjakan'i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 21 Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 22 Dia ho lovan'ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
23 Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 24 Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin'ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 25 Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony); 26 Miderà an'Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago