| Andro faha-73 @365
|
Salamo 126
Fifalian'ny efa nampodin'i Jehovah, sy fifonana ho an'izay mbola babo
1 Fihirana fiakarana. Fony Jehovah nampody an'i Ziona avy tamin'ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika. 2 Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin'ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho an'ireny. 3 Eny, zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika.
4 Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin'ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan'ny riaka any amin'ny tany atsimo. 5 Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana. 6 Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin'ny fihobiana kosa.

<<< hiverina |
|
| manaraka >>>
|