| Andro faha-72 @365
|
Salamo 123
Fanantenana an'Andriamanitra hanafaka amin'ny fanebahana sy ny fanamavoana
1 Fihirana fiakarana. Aminao no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra ô.
2 Indro, toy ny fijerin'ny ankizilahy Ny tanan'ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin'ny ankizivavy Ny tanan'ny tompovaviny, No fijerintsika an'i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika. 3 Mamindrà fo aminay, Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay; 4 Eny, tototry ny famingavingan'ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan'ny mpiavonavona.