| Andro faha-72 @365
|
Salamo 121
Fahatokian'izay manana an'i Jehovah ho Mpiaro azy
1 Fihirana fiakarana. Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy? 2 Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
3 Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. 4 Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.
5 Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao. 6 Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina. 7 Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy. 8 Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.