Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-70 @365
Herinandro faha-10 @52 |

Salamo 119  81-128

KAFA
81 Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako. 82 Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao? 83 Fa tahaka ny siny hoditra ao amin'ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko. 84 Hoatrinona no andron'ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin'izay manenjika ahy Hianao? 85 Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao. 86 Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho. 87 Saiky laniny teo amin'ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao. 88 Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho.

LAMEDA
89 Ho mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao. 90 Hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy. 91 Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra. 92 Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin'ny fahoriako aho. 93 Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy. 94 Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko. 95 Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho 96 Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao.

MEMA
97 Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany. 98 Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny. 99 Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako. 100 Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako. 101 Efa narovako ny tongotro tsy ho amin'izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao. 102 Tsy mba miala amin'ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy. 103 Endrey ny hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza! 104 Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.

NONA
105 Fanilon'ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao. 106 Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany. 107 Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao. 108 Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao. 109 An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho. 110 Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin'ny didinao aho. 111 Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian'ny foko izany. 112 Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin'ny farany.

SAMEKA
113 Halako ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako. 114 Fiereko sy ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako. 115 Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin'Andriamanitro. 116 Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin'ny fanantenako aho. 117 Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva. 118 Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin'ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany. 119 Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao. 120Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.

AINA
121 Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin'ny mpampahory ahy. 122 Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha. 123 Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin'ny fahamarinanao. 124 Ataovy amin'ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao. 125 Mpanomponao aho, ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao. 126 Efa andro tokony hampisehoan'i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona. 127 Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza. 128 Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago