Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-69 @365
Herinandro faha-10 @52 |

Salamo 119  41-80

VAO
41 Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao. 42 Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao. 43 Ary aza dia esorina amin'ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho. 44 Dia hitandrina ny lalanao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria. 45 Ary handeha amin'ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko. 46 Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra. 47 Ary hiravoravo amin'ny didinao aho Satria tiako ireny. 48 Hasandratro ny tanako ho amin'ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao.

ZAINA
49 Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy. 50 Izao no mampionona ahy amin'ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy. 51 Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin'ny lalànao aho. 52 Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin'ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho. 53 Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin'ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao. 54 Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin'ny trano fivahiniako. 55 Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao. 56 Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho.

HETA
57 Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho. 58 Mifona aminao amin'ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao. 59 Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin'ny teni-vavolombelonao. 60 Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin'ny fitandremana ny didinao. 61 Nihodidina tamiko ny famato-ran'ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho. 62 Mamatonalina no hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina. 63 Naman'izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman'izay mitandrina ny didinao. 64 Jehovah ô, henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao.

TETA
65 Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao. 66 Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho. 67 Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho. 68 Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao. 69 Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin'ny foko rehetra no itandremako ny didinao. 70 Matavy tahaka ny menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako. 71 Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao. 72 Ny lalàn'ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo.

JODA
73 Ny tananao nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao. 74 Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako. 75 Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy. 76 Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin'ny mpanomponao. 77 Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako. 78 Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao. 79Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao. 80 Aoka ho marina tsara ny foko amin'ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago