Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-71 @365
Herinandro faha-11 @52 |

Salamo 119  129-176

PE
129 Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko. 130 Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina. 131 Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko. 132 Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran'izay tia ny anaranao. 133 Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana. 134 Vonjeo amin'ny fampahorian'ny olona Dia hitandrina ny didinao. 135 Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao. 136 Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko Noho ny tsi-fitandreman'ny olona ny lalànao.

TSADE
137 Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao. 138 Efa voadidinao amin'ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao. 139 Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy. 140 Voazaha toetra tamin'ny memy ny teninao, Ka dia tian'ny mpanomponao. 141 Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao. 142 Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao. 143 Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako. 144 Ny fahamarinan'ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona.

KOFA
145 Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako; 146 Nitaraina taminao aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao. 147 Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako. 148 Nialoha ny fiambenana amin'ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao. 149 Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao. 150 Efa mby akaiky izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao. 151 Akaiky Hianao, Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra. 152 Efa fantatro ela tamin'ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny.

RESY
153 Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba hadinoiko. 154 Soloy vava aho, ka vonjeo; Velomy aho araka ny teninao. 155 Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny. 156 Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao. 157Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin'ny teni-vavolombelonao aho. 158 Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao. 159 He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao. 160 Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.

SINA
161 Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran'ny foko. 162 Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be. 163Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako. 164 Impito isan'andro no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina. 165 Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy. 166 Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao. 167 Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy. 168 Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao.

TAO
169 Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao. 170 Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao. 171Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao. 172 Hihira ny teninao ny lelako, Fa marina ny didinao rehetra. 173 Aoka anie hamonjy ahy ny tananao; Fa efa nifidy ny didinao aho. 174 Efa manina ny famonjenao aho, Jehovah ô; Ary ny lalànao no firavoravoako. 175 Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao. 176 Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago