Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-67 @365
Herinandro faha-10 @52 |

Salamo 118

Fiderana an'Andriamanitra noho ny famindram-pony, indrindra noho ny namaliany ny vavaka nataon'ny mpanompony sy ny namonjeny azy tamin'ny fahavalony
1 Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony. 2 Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. 3 Aoka ny taranak'i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. 4 Aoka izay matahotra an'i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
5 Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy. 6 Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko? 7 Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin'izay mankahala ahy. 8 Tsara ny mialoka amin'i Jehovah Noho ny mialoka amin'ny olona. 9 Tsara ny matoky an'i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.
10 Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa; 11 Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa. 12 Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa.
13 Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy. 14 Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.
15 Ao an-dain'ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery; 16 Ny tanana ankavanan'i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery. 17 Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan'i Jehovah. 18 Nofaizan'i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin'ny fahafatesana.
19 Vohay ny vavahadin'ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an'i Jehovah. 20 Ity no vavahadin'i Jehovah; Ny marina no hiditra eo. 21 Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.
22 Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra. 23 Avy tamin'i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika. 24 Ity no andro nataon'i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika. 25 Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è! 26 Hotahina anie izay avy amin'ny anaran'i Jehovah; Avy ao an-tranon'i Jehovah no itsofanay rano anareo.
27 Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin'ny tandroky ny alitara aza. 28 Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho. 29 Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago