| Andro faha-65 @365
|
Salamo 114
Ny horohoron'ny tany aman-danitra tamin'ny nanavotan'Andriamanitra ny olony tany Egypta
1 Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak'i Jakoba avy tany amin'ny firenena hafa fiteny, 2 Joda no fitoerany masina, Isiraely no fanjakany.
3 Ny ranomasina nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana. 4 Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak'ondry.
5 Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika ianao? 6 Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana, tahaka ny zanak'ondry? 7 Mihorohoroa eo anatrehan'ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan'Andriamanitr'i Jakoba. 8 Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.