Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-172 @365
Herinandro faha-25 @52 |

Rota 3

Ny nangatahan'i Rota an'i Boaza hitondra loloha azy araka ny hevitra natoron'i Naomy
1 Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao? 2 Ary ankehitriny tsy isan'ny havantsika va Boaza, tompon'ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina. 3 Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory ianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy. 4 Ary rehefa mandry izy, dia fantaro izay andriany, ary midìra, ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo ianao; ary holazainy aminao izay hataonao. 5 Dia hoy izy taminy: Eny, fa hataoko izay rehetra lazainao amiko.
6 Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian'ny rafozani-vavy azy. 7 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin'ny faran'ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo. 8 Ary nony namatonalina, dia taitra ralehilahy ka niarina hitsapa, ary, indro, nisy vehivavy nandry teo an-tongony. 9 Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra ianao. 10 Dia hoy izy: Hotahin'i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin'ny ato aoriana ianao noho ny tamin'ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena. 11 Koa ankehitriny anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr'izay rehetra ao an-tanànan'ny fireneko fa vehivavy tsara ianao. 12 Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho. 13 Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha tàhiny kosa tsy hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany ianao, raha velona koa Jehovah, mitoera ihany atỳ mandra-pahamarain'ny andro.
14 Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain'ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr'olona fa tatỳ am-pamoloana ravehivavy. 15 Dia hoy koa izy: Ento etỳ ny lamba itafianao, ka hazòny izy. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin'ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna Boaza. 16 Ary rehefa tonga tany amin'ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy. 17 Ary hoy koa izy: Ireto vary hordea inenin'ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin'ny rafozanao-vavy. 18 Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan'ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago