Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-110 @365
Herinandro faha-16 @52 |

Ohabolana 30

Ny tenin'i Agora
1 Ny teny mavesa-danja nataon'i Agora, zanak'i Jake, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin'Itiela, eny, tamin'Itiela sy Okala: 2 Izaho dia biby, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain'olombelona aho. 3 Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masina. 4 Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany? Iza no nahamisy ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran'ny zanany? Fa toa fantatrao!
5 Ny tenin'Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an'izay mialoka aminy Izy. 6 Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.
7 Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho: 8 Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy; 9 Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran'Andriamanitro. 10 Aza manendrikendrika ny mpanompo amin'ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.
11 Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny. 12Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin'ny fahalotoany. 13 Misy taranaka, endrey ny fiandrandran'ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony! 14 Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin'ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin'ny olona.
15 Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay: 16 Ny fiainan-tsi-hita; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay.
17 Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin'ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin'ny zana-boromahery.
18 Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro: 19 Ny nalehan'ny voromahery teny amin'ny habakabaka, Ny nalehan'ny bibilava teny amin'ny vatolampy, Ny nalehan'ny sambo teny amin'ny ranomasina, Ary ny nalehan'ny lehilahy tamin'ny tovovavy. 20 Tahaka izany koa no fanaon'ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.
21 Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany; 22 Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina, 23 Raha ny vehivavy lany zara no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova ny tompovaviny. 24 Izao zavatra efatra izao dia kely amin'ny etỳ ambonin'ny tany, Nefa hendry sady mahay: 25 Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin'ny fahavaratra izy; 26 Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin'ny harambato izy; 27 Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara; 28 Ny antsiantsy dia mandady amin'ny tànany, Nefa tonga ao an-tranon'ny mpanjaka izy. 29 Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha; 30 Dia ny liona, izay mahery indrindra amin'ny biby Ka tsy mihemotra na amin'inona na amin'inona, 31 Ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina.
32 Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao.
33 Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago