Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-84 @365
Herinandro faha-12 @52 |

Ohabolana 3

Famporisihana hitondra tena tsara
1 Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; 2 Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao. 3 Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka, 4 Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.
5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao; 6 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,
7 Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy. 8 Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.
9 Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra; 10 Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao.
11 Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany; 12 Fa izay tian'i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.
Ny fahasambaran'izay olona mahita fahendrena
13 Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana. 14 Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara. 15 Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy. 16 Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia. 17 Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra. 18 Hazon'aina ho an'izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra. 19 Fahendrena no nanorenan'i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra. 20 Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin'ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin'ny rahona. 21 Anaka, aoka tsy hiala amin'ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava, 22 Ka dia ho ain'ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao, 23 Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao. 24 Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao. 25 Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany; 26 Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
Famporisihana hanao soa amin'olona sy hanao ny marina
27 Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, Raha azon'ny tananao atao ihany;
28 Aza manao amin'ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.
29 Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
30 Aza miady amin'olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
31 Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,
32 Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany. 33 Ny ozon'i Jehovah dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan'ny marina dia tahìny kosa. 34 Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra. 35 Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago