Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-109 @365
Herinandro faha-16 @52 |

Ohabolana 29

1 Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.
2 Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.
3 Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin'ny vehivavy janga dia mandany harena.
4 Ny rariny no ampandrian'ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.
5 Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony.
6 Misy fandrika amin'ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly.
7 Ny marina mihevitra ny adin'ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.
8 Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.
9 Raha iadian'ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana.
10 Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy. 11 Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo. 12 Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.
13 Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory; Jehovah no manazava ny mason'izy roa tonta.
14 Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.
15 Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.
16 Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.
17 Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian'ny fanahinao.
18 Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.
19 Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny.
20 Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.
21 Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany. 22 Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.
23 Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
24 Izay miray tetika amin'ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza. 25 Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena.
26 Maro no mila sitraka amin'ny mpanapaka; Fa avy amin'i Jehovah ny fitsarana ny olona.
27 Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago