Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-108 @365
Herinandro faha-16 @52 |

Ohabolana 28

1 Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
2 Ny fahotan'ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian'ny olona manan-tsaina kosa no mampahateza ny fanjakana.
3 Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina.
4 Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin'ny fanoherana azy.
5 Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an'i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.
6 Ny malahelo izay mandeha amin'ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin'ny lalana miolikolika.
7 Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin'ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.
8 Izay mampitombo ny fananany amin'ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an'izay miantra ny malahelo
9 Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
10 Izay mampivily ny mahitsy ho amin'ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin'ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.
11 Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.
12 Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka.
13 Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
14 Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
15 Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin'ny olona reraka.
16 Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona.
17 Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.
18 Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin'ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka. 19 Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alahelo kosa.
20 Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.
21 Tsy mety raha mizaha tavan'olona; Kanefa na dia amin'ny sombin-kanina ihany aza dia sahin'ny olona hanotana.
22 Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo. 23 Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin'ny lelany.
24 Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman'ny mpanimba.
25 Izay mierina manetsika ady; Fa izay matoky an'i Jehovah dia hohatavezina.
26 Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin'ny fahendrena no ho afa-miala.
27 Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;
28 Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago