Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-106 @365
Herinandro faha-16 @52 |

Ohabolana 26

1 Toy ny oram-panala amin'ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an'ny adala.
2 Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.
3 Ny karavasy ho amin'ny soavaly ny lamboridy ho amin'ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin'ny lamosin'ny adala.
4 Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.
5 Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy
6 Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala. 7 Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
8 Toy ny manisy vato eo amin'ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala. 9 Toy ny tsilo eny an-tànan'ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
10 Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo. 11 Toy ny amboa miverina amin'ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin'ny hadalany.
12 Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.
13 Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe.
14 Toy ny varavarana mihodina amin'ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin'ny fandriany,
15 Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin'ny vavany dia mahasasatra azy.
16 Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara.
17 Izay mandalo ka mitsaraingona amin'ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin'ny sofiny.
18 Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana, 19Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko?
20 Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.
21 Toy ny arina atao amin'ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin'ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.
22 Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra. 23 Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy sy ny fo ratsy.
24 Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin'ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony; 25 Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony. 26 Ny lolompo dia miafina ao amin'ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso.
27 Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa.
28 Halan'ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago