Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-104 @365
Herinandro faha-15 @52 |

Ohabolana 24

1 Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany; 2 Fa fandravana no saintsainin'ny fony, Ary fampahoriana notenenin'ny molony.
3 Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy; 4 Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin'izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
5 Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana; 6 Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.
7 Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, Tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy. 8 Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.
9 Ota ny fikasan'ny hadalana; Ary fahavetavetana eo imason'ny olona ny mpaniratsira.
10 Raha reraka amin'ny andro fahoriana ianao, Dia kely ny herinao. 11 Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana! 12 Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra.
13 Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, Ary ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao; 14 Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an'ny fanahinao; Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana, Ka tsy ho foana ny fanantenanao.
15 Aza manotrika ao akaikin'ny tranon'ny marina ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany; 16 Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana.
17 Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy; 18 Fandrao hitan'i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany.
19 Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy; 20 Fa tsy hisy fanantenana ho an'ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy.
21 Anaka, matahora an'i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin'izay miovaova; 22 Fa ho tampoka no hitrangan'izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin'ny androny?
23 Izao koa no tenin'ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana.
24 Izay manao amin'ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena; 25 Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara. 26 Izay mahavoa tsara amin'ny famaliana dia manoroka ny molotra.
27 Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao.
28 Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin'ny molotrao va ianao?
29 Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.
30 Nandalo ny sahan'ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho; 31 Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron'ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony. 32 Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra. 33 Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohon-tanana kely hatory; 34 Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago