Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-96 @365
Herinandro faha-14 @52 |

Ohabolana 16

1 Ny fikasan'ny fo no amin'ny olona; Fa ny famalian'ny lela dia avy amin'i Jehovah. 2 Ataon'ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.
3 Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.
4 Ny zavatra rehetra nataon'i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin'ny andro hahitan-doza.
5 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina izy. 6 Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin'ny heloka; Ary ny fahatahorana an'i Jehovah no analavirana ny ratsy.
7 Raha sitrak'i Jehovah ny alehan'ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
8 Aleo ny kely omban'ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy rariny.
9 Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.
10 Ny teny marina dia eo amin'ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara. 11 An'i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.
12 Fahavetavetana eo imason'ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan'ny seza fiandrianana.
13 Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.
14 Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.
15 Amin'ny fahamiramiranan'ny tarehin'ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin'ny fararano.
16 Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.
17 Ny manalavitra ny ratsy no lalamben'ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.
18 Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.
19 Tsara ny malemy fanahy ao amin'izay manetry tena Noho ny mizara babo amin'izay miavonavona.
20 Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra. 21 Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian'ny molotra mampandroso fahendrena.
22 Loharanon'aina ny fahazavan-tsaina amin'izay manana izany; Fa ny famaizana ataon'ny adala dia fahadalana ihany.
23 Ny fon'ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin'ny molony.
24 Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana.
25 Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
26 Ny fahanoanan'ny mpiasa dia mampiasa azy, Fa ny tendany no manesika azy.
27Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin'ny molony.
28 Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.
29 Ny lozabe mitaona ny namany Ka mitarika azy amin'ny lalana tsy tsara.
30 Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy.
31 Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin'ny lalan'ny fahamarinana no ahazoana azy.
32 Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.
33 Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin'i Jehovah ihany no isehoan'ny fitsarany.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago