Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-90 @365
Herinandro faha-13 @52 |

Ohabolana 10

Ohabolana samy hafa ny amin'ny tsi-fitovian'ny toetry ny hendry sy ny adala, mbamin'ny valin'ny ataony avy
1 Ohabolan'i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
2 Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.
3 Tsy avelan'i Jehovah ho mosarena ny fanahin'ny marina; Fa foanany ny fanirian'ny ratsy fanahy.
4 Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin'ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan'ny mazoto.
5 Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.
6 Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy. 7 Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran'ny ratsy fanahy.
8 Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava.
9 Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra.
10 Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava.
11 Loharanon'aina ny vavan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy. 12 Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
13 Amin'ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy ampy saina.
14 Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan'ny adala eo akaikin'ny fandringanana. 15 Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan'ny ory no fandringanana azy.
16 Ho fiainana ny asan'ny marina; Fa ho ota ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy.
17 Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra. 18 Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
19 Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.
20 Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina; Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
21 Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.
22 Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany. 23 Toa laolaon'ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa.
24 Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin'ny marina no homena azy.
25 Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.
26 Toy ny vinaingitra amin'ny nify sy ny setroka amin'ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin'izay maniraka azy.
27 Ny fahatahorana an'i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan'ny ratsy fanahy hohafohezina.
28 Ny fanantenan'ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana.
29 Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy.
30 Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin'ny tany. 31 Eo amin'ny vavan'ny marina no itsimohan'ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana.
32 Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago