Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-105 @365
Herinandro faha-15 @52 |

Nomery 34

Ny ho faritry ny tany Kanana
1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Mandidia ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.
3 Ary ny lafiny atsimo amin'ny taninareo dia hatramin'ny efitra Zina, izay mifanolotra amin'i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira any atsinanana, 4 dia miolaka eo atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon'i Kadesibarnea, dia mahazo an'i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona, 5 ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, ka dia mihatra amin'ny ranomasina. 6 Ary ny amin'ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana.
7 Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin'ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo; 8 ary hatramin'ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an'i Zedada, 9 dia hahazo an'i Zifrona, ka dia hihatra an'i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra.
10 Ary ny ho fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin'i Hazar-enana ka hatrany Sefama, 11 dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan'i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin'ny Ranomasin'i Kinereta atsinanana, 12 dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin'ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina. 13 Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian'i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany; 14 fa ny firenena taranak'i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak'i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen'i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny; 15 dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan'i Jordana, hitsin'i Jeriko, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.
Ny anaran'ny lehilahy roa ambin'ny folo notendrena hizara ny tany
16 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 17 Izao no anaran'ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona. 18 Ary loholona iray avy amin'ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany. 19 Ary izao no anaran'ireo lehilahy ireo: ny avy amin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone; 20 ary ny avy amin'ny firenena taranak'i Simeona dia Semoela, zanak'i Amihoda; 21 ary ny avy amin'ny firenen'i Benjamina dia Elidada, zanak'i Kislona; 22 ary ny lohan'ny firenena taranak'i Dana dia Boky, zanak'i Jogly; 23 ary ny avy amin'ny taranak'i Josefa: ny lohan'ny firenena taranak'i Manase dia Haniela, zanak'i Efoda; 24 ary ny lohan'ny firenena taranak'i Efraima dia Kemoela, zanak'i Siftana; 25 ary ny lohan'ny firenena taranak'i Zebolona dia Elizafana, zanak'i Parnaka; 26 ary ny lohan'ny firenena taranak'Isakara dia Paltiela, zanak'i Azana; 27 ary ny lohan'ny firenena taranak'i Asera dia Ahihoda, zanak'i Selomy; 28 ary ny lohan'ny firenena taranak'i Naftaly dia Pedahela, zanak'i Amihoda. 29 Ireo no nodidian'i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an'ny Zanak'Isiraely.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago