Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-98 @365
Herinandro faha-14 @52 |

Nomery 26

Ny nandaminana ny Isiraely fanindroany, teo Arbota-moaba
1 Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Eleazara, zanak'i Arona mpisorona: 2 Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin'ny Isiraely azo halefa hanafika. 3 Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe: 4 Ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely izay nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
5 Robena, lahimatoan'Isiraely; ary ny zanak'i Robena dia Hanoka sy ny fokon'ny Hanokita; avy tamin'i Palo ny fokon'ny Paloita; 6 avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Karmy ny fokon'ny Karmita. 7 Ireo no fokon'ny Robenita; ary izay voalamina taminy dia telo-polo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina. 8 Ary ny zanak'i Palo dia Eliaba. 9 Ary ny zanak'i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo dia ilay Datana sy Abìrama, olom-boafidin'ny fiangonana, izay nila ady tamin'i Mosesy sy Arona, teo amin'ny antokon'i Kora, raha nila ady tamin'i Jehovah izy, 10 ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin'i Kora, tamin'ny nahafatesan'izany antokony izany, ary levon'ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana. 11 Kanefa ny zanak'i Kora tsy mba maty. 12 Ny taranak'i Simeona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Nemoela ny fokon'ny Nemoelita; avy tamin'i Jamina ny fokon'ny Jaminita; avy tamin'i Jakina ny fokon'ny Jakinita; 13 avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita; avy tamin'i Saoly ny fokon'ny Saolita. 14 Ireo no fokon'ny Simeonita, dia roanjato amby roa arivo sy roa alina.
15 Ny taranak'i Gada, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Zefona ny fokon'ny Zefonita; avy tamin'i Hagy ny fokon'ny Hagita; avy tamin'i Sony ny fokon'ny Sonita; 16 avy tamin'i Ozny ny fokon'ny Oznita; avy tamin'i Erỳ ny fokon'ny Erita; 17avy tamin'i Aroda ny fokon'ny Arodita; avy tamin'i Arely ny fokon'ny Arelita. 18 Ireo no fokon'ny zanak'i Gada, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra alina 19 Ny zanak'i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin'ny tany Kanana ihany. 20 Ary ny taranak'i Joda, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Sela ny fokon'ny Selita; avy tamin'i Fareza ny fokon'ny Farezita; avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita. 21 Ary ny taranak'i Fareza dia izao: avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Hamola ny fokon'ny Hamolita. 22 Ireo no fokon'i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina.
23 Ny taranak'Isakara, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Tola ny fokon'ny Tolita; avy tamin'i Pova ny fokon'ny Povita; 24 avy tamin'i Jasoba ny fokon'ny Jasobita; avy tamin'i Simrona ny fokon'ny Simronita, 25 Ireo no fokon'Isakara, araka izay voalamina taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy enina alina.
26 Ny taranak'i Zebolona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Sereda ny fokon'ny Seredita; avy tamin'i Elona ny fokon'ny Elonita; avy tamin'i Jahalela ny fokon'ny Jahalelita. 27 Ireo no fokon'ny Zebolonita, araka izay voalamina taminy. dia diman-jato amby enina alina.
28 Ny zanak'i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima. 29 Ny taranak'i Manase dia izao: avy tamin'i Makira ny fokon'ny Makirita; ary Makira niteraka an'i Gileada; avy tamin'i Gileada ny fokon'ny Gileadita. 30 Izao no taranak'i Gileada: avy tamin'i Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Heleka ny fokon'ny Helekita; 31 ary avy tamin'i Äsriela ny fokon'ny Asrielita; ary avy tamin'i Sekema ny fokon'ny Sekemita; 32 ary avy tamin'i Semida ny fokon'ny Semidita; ary avy tamin'i Hefera ny fokon'ny Heferita. 33 Ary Zelofada, zanak'i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran'ny zanakavavin'i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza. 34 Ireo no fokon'i Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy alina. 35 Izao no taranak'i Efraima, araka ny fokony: avy tamin'i Sotela ny fokon'ny Sotelita; avy tamin'i Bekera ny fokon'ny Bekerita; avy tamin'i Tahana ny fokon'ny Tahanita. 36 Ary izao no taranak'i Sotela: avy tamin'i Erana ny fokon'ny Eranita. 37 Ireo no fokon'ny taranak'i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak'i Josefa araka ny fokony.
38 Ny taranak'i Benjamina, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Bela ny fokon'ny Belita; avy tamin'i Asibela ny fokon'ny Asibelita; avy tamin'i Ahirama ny fokon'ny Ahiramita; 39 avy tamin'i Sefofama ny fokon'ny Sefofamita; avy tamin'i Hofama ny fokon'ny Hofamita. 40 Ary ny taranak'i Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon'ny Ardita; ary avy tamin'i Namana ny fokon'ny Namanita. 41 Ireo no taranak'i Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
42 Izao no taranak'i Dana, araka ny fokony: avy tamin'i Sohama ny fokon'ny Sohamita. Ireo no fokon'i Dana, araka ny fokony. 43 Ny fokon'ny Sohamita rehetra, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo sy enina alina.
44 Ny taranak'i Asera, araka ny fokony dia izao: avy tamin'i Jimna ny fokon'ny Jimnita; avy tamin'i Jisvy ny fokon'ny Jisvita; avy tamin'i Bena ny fokon'ny Berita; 45 avy tamin'ny zanak'i Bena dia izao: avy tamin'i Hebera ny fokon'ny Heberita; avy tamin'i Malkiela ny fokon'ny Malkielita. 46 Ary ny anaran'ny zanakavavin'i Asera dia Sera. 47 Ireo no fokon'ny taranak'i Asera, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
48 Ny taranak'i Naftaly, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Jaziela ny fokon'ny Jazielita; avy tamin'i Gony ny fokon'ny Gonita; 49 avy tamin'i Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Silema ny fokon'ny Silemita. 50 Ireo no fokon'i Naftaly araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
51 Ireo no voalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.
52 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 53 Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany. 54 Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny. 55 Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran'ny firenen'ny razany no hahazoany zara-tany. 56 Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an'ny maro, na ny ho an'ny vitsy.
57 Ary izao no voalamina tamin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony: avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Gersonita; avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Kehatita; avy tamin'i Merary ny fokon'ny Merarita. 58 Izao no fokon'i Levy: ny fokon'ny Libnita, ny fokon'ny Hebronita, ny fokon'ny Mahalita, ny fokon'ny Mosita, ny fokon'ny Koralta. Ary Kehata niteraka an'i Amrama. 59 Ary ny anaran'ny vadin'i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin'i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an'i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin'i Amrama izy. 60 Ary ny naterak'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara. 61 Fa maty Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah. 62 Ary izay voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin'ny Zanak'Isiraely. 63 Ireo no voalamin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko. 64 Ary tamin'ireo dia tsy nisy olona avy tamin'izay efa voalamin'i Mosesy sy Arona mpisorona tamin'izy nandamina ny Zanak'Isiraely tany an-efitr'i Sinay. 65 Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin'ireny afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona, ihany.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago