Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-97 @365
Herinandro faha-14 @52 |

Nomery 25

Ny nijangajangan'ny Isiraely tamin'ny zanakavavin'ny Moabita
1 Ary nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin'ny zanakavavin'ny Moabita izy. 2 Fa ireo nanasa ny olona hihinana tamin'ny zavatra novonoiny ho fanatitra ho an'ny andriamaniny, ka nihinana ny olona sady niankohoka tamin'ny andriamaniny. 3 Dia niray tamin'i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran'i Jehovah. 4 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin'ny masoandro eo anatrehan'i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan'ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely. 5 Dia hoy Mosesy tamin'ny mpitsara ny Isiraely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny, izay niray tamin'i Bala-peora. 6 Ary, indro, avy ny anankiray tamin'ny Zanak'Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin'ny rahalahiny, teo imason'i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana. 7 Ary raha nahita izany Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin'ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tànany; 8 dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin'ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin'ny Zanak'Isiraely. 9 Ary izay maty tamin'ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.
10 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 11 Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin'ny Zanak'Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak'Isiraely tamin'ny firehetan'ny fahatezerako. 12 Ary noho izany dia lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken'ny fihavanako; 13 ary izy sy ny zanany mandimby azy no hanana izany ho faneken'ny fisoronana mandrakizay, satria nirehitra noho ny fitiavany an'Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely. 14 Ary ny anaran'ilay lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak i Salo, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Simeonita. 15 Ary ny anaran'ny vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby, zanak'i Zora, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Midianita.
16 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 17 Rafeso ny Midianita, ka iadio; 18 fa izy nandrafy anareo tamin'ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin'ny an'i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin'ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana noho ny an'i Peora.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago