Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-89 @365
Herinandro faha-13 @52 |

Nomery 12

Ny nanomezan'i Miriama sy Arona tsiny an'i Mosesy, sy ny nataon'Andriamanitra tamin'izany
1 Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an'i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy. 2 Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan'i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren'i Jehovah izany. 3 Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin'ny tany. 4 Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin'i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin'ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy. 5 Ary andri-rahona no nidinan'i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran'ny trano-lay Izy; dia niantso an'i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy. 6 Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin'i Jehovah eo aminareo, dia amin'ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin'ny nofy no hitenenako aminy. 7 Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin'ny tranoko rehetra. 8 Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin'ny fahitana, fa tsy amin'ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik'i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an'i Mosesy mpanompoko? 9 Dia nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izy mianadahy, ka niala Izy. 10 Ary ny rahona niala tamin'ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an'i Miriama, ka indro fa boka izy. 11 Ary hoy Arona tamin'i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay. 12 Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy. 13 Ary Mosesy dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy! 14 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha nandrora tamin'ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan'ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray. 15 Dia natokana tany ivelan'ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama. 16 Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago