Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-87 @365
Herinandro faha-13 @52 |

Nomery 10

Ny trompetra volafotsy
1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo. 3 Ary raha tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra. 4 Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny lohan'ny firenena, izay mpifehy arivo amin'ny Isiraely, ihany no hivory eo aminao. 5 Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana. 6 Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany. 7 Fa raha hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana. 8 Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany. 9 Ary raha misy ady eo amin'ny taninareo, ka mandeha hiady amin'ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin'ny fahavalonareo. 10 Ary amin'ny andro fifalianareo, sy amin'ny fotoam-pivavahanareo, ary amin'ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo anatrehan'Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo.
Ny niaingan'ny Zanak'Isiraely niala tany an-efitr'i Sinay, sy ny teny nataon'i Mosesy tamin i Hobaba.
11 Ary tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa, no niakaran'ny rahona niala teo ambonin'ny tabernakelin'ny Vavolombelona. 12 Dia niainga tany an-efitr'i Sinay ny Zanak'Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana. 13 Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy. 14 Ary ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanak'i Aminadaba, no mpifehy ny antokony. 15 Ary Netanela, zanak'i Zoara, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'Isakara. 16 Ary Eliaba, zanak'i Helona, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Zebolona. 17 Dia nahorona ny tabernakely, ka niainga ny taranak'i Gersona sy ny taranak'i Merary, nitondra ny tabernakely. 18 Dia niainga ny fanevan'ny tobin'i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanak'i Sedeora, no mpifehy ny antokony. 19 Ary Selomiela, zanak'i Zorisaday, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Simeona. 20 Ary Eliasafa, zanak'i Doela, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Gada. 21 Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny. 22 Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak'i Amihoda, no mpifehy ny antokony. 23 Ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Manase. 24 Ary Abidana, zanak'i Gideony, no mpifehy ny firenena taranak'i Benjamina. 25 Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Dana, izay vodi-lalan'ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak'i Amisaday, no mpifehy ny antokony. 26 Ary Pagiela, zanak'i Okrana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Asera. 27 Ary Ahira, zanak'i Enana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Naftaly. 28 Izany no fandehan'ny Zanak'Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy. 29 Dia hoy Mosesy tamin'i Hobaba, zanak'i Regoela Midianita, rafozan'i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin'ny Isiraely. 30 Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin'ny taniko sy ny havako. 31 Dia hoy Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay atỳ an-efitra, ka dia ho masonay ianao. 32 Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon'i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa. 33 Dia niainga niala tany an-tendrombohitr'i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an'ny olona. 34 Ary ny rahon'i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin'ny niaingany niala tamin'ny nitobiany. 35 Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao. 36 Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin'ny Isiraely tsy omby alinalina.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago