Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-322 @365
Herinandro faha-46 @52 |

Nehemia 6

Ny naharetan'i Nehemia hahavitana ny mànda, na dia fatratra aza ny teti-dratsy nataon'ny fahavalo.
1 Ary rehefa ren'i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin'ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga intsony teo (kanefa tamin'izany andro izany tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady), 2 dia naniraka ho any amiko Sanbala sy Gasema ka nanao hoe: Avia isika hihaona ao amin'izay vohitra anankiray amin'ny tany lemak'i Ono. Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy. 3 Dia naniraka olona hankany aminy kosa aho hanao hoe: Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midina aho; nahoana no hilaozako midina any aminareo ny asa ka hatsahatra? 4 Kanefa mbola naniraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy izany ihany koa. 5 Dia nirahin'i Sanbala fanindiminy ny zatovony hankeo amiko araka izany ihany, nitondra taratasy nivelatra teny an-tànany, 6 izay nisy soratra hoe: Efa mahoraka any amin'ny firenena maro izao teny izao, sady lazain'i Gasema hoe: Hianao sy ny Jiosy dia mikasa hikomy, ka izany no anaovanao ny manda, ary araka izany teny izany dia mikasa ho mpanjakany, hono, ianao, 7 sady efa nanendry ny mpaminany maro hilaza anao any Jerosalema hoe Mpanjaka any Joda; ary ankehitriny dia ho ren'ny mpanjaka izany teny izany; koa avia isika hiara-mihevitra. 8 Dia naniraka ho any aminy aho hanao hoe: Tsy marina izany zavatra lazainao izany, fa tao am-ponao ihany no namoronanao izany. 9 Fa ta-hampahatahotra anay izy rehetra, ka hoy izy: Ho kivy amin'ny asa izy ka tsy hahatontosa. Koa ankehitriny ampaherezo e ny tanako! 10 Ary izaho dia tonga tao an-tranon'i Semaia, zanak'i Delaia, zanak'i Mehetabela, izay nihidy trano tao; dia hoy izy: Andeha isika hiditra ao an-tranon'Andriamanitra ao anatin'ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy, eny, ho avy alina hamono anao izy. 11 Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin'ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho. 12 Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan'i Tobia sy Sanbala. 13 Izany no nanambazany azy, mba hampitahotra ahy hanaovako izany ka hanotako, dia hahazoany teny tatsy hanaratsiany ahy. 14 Ry Andriamanitro ô, tsarovy Tobia sy Sanbala araka izany asany izany mbamin'i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sasany koa, izay nampitahotra ahy. 15 Dia vita tamin'ny roa amby dimam-poloandro ny manda, dia tamin'ny andro faha-dimy amby roa-polo tamin'ny volana Elola. 16 Ary rehefa ren'ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitàna izany asa izany. 17 Ary tamin'izany andro izany ny manan-kaja amin'ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin'i Tobia, ary ny avy tamin'i Tobia kosa tonga tany aminy. 18 Fa nisy maro tany Joda efa nianiana niray tetika taminy, satria vinanton'i Sekania, zanak'i Ara, izy; ary Johanana zananilahy efa nanambady ny zanakavavin'i Mesolama, zanak'i Berekia. 19 Ary nisy koa teo anatrehako nilaza ny soa nataony ary nilaza ny teniko tany aminy kosa. Ary Tobia kosa nampitondra taratasy hampitahotra ahy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago