Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-321 @365
Herinandro faha-46 @52 |

Nehemia 4

1 Ary rehefa ren'i Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan'i Jerosalema, ka efa ho voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny fahatezerany. 2 Ary niray tetika izy rehetra handeha hamely an'i Jerosalema ka hanimba ny asa. 3 Dia nivavaka tamin'Andriamanitra izahay ka nametraka mpiambina hiandry azy andro aman'alina noho ny fahatahoranay azy. 4 Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin'ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny manda izahay. 5 Ary hoy kosa ny fahavalonay: Tsy hahalala izy, na hahita, raha tsy tonga eo afovoany isika ka mahafaty azy ary mampitsahatra ny asa. 6 Ary rehefa tonga ny Jiosy izay nonina teo akaikin'ireo ka nanao taminay im-polo hoe: Na avy aiza na avy aiza ianareo, dia miverena atỳ aminay, 7 dia nasiako olona teo amin'ny fitoerana ambany, teo ivelan'ny manda sy teo an-karihary; eny, nalahatro ny olona araka ny fokony avy, samy nitàna sabatra sy lefona ary tsipìka. 8 Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin'ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo. 9 Ary nony ren'ny fahavalontsika fa efa fantatray izany, sady efa nofoanan'Andriamanitra ny heviny, dia niverina ho amin'ny manda izahay rehetra, samy ho amin'ny asany avy indray. 10 Ary hatramin'izay andro izay ny antsasaky ny zatovoko dia nanao ny asa, ary ny antsasany kosa nitàna lefona aman'ampinga sy tsipìka ary akanjo fiarovan-tratra; ary ny mpanapaka dia teo ivohon'ny fianakaviana rehetra amin'ny Joda. 11 Ary izay nandrafitra ny manda sy ny mpitondra entana izay nanangona ny korontam-bato sy ny tany dia samy niasa tamin'ny tànany anankiray, ary nitan-defona kosa ny tànany anankiray. 12 Ary ny mpandrafitra rehetra dia samy nanana ny sabany voafehy tamin'ny valahany avy, ka dia nandrafitra. Ary ny mpitsoka ny anjomara dia teo anilako. 13 Ary hoy izaho tamin'ny manan-kaja sy ny mpanapaka ary ny vahoaka sisa: Be sady malalaka ny asa, ka dia misaratsaraka eny ambonin'ny manda isika ka mifanalavitra. 14 Koa eo amin'izay fitoerana andrenesanareo ny feon'ny anjomara dia mivoria ho any aminay ianareo; fa Andriamanitsika no hiady ho antsika. 15 Dia nanao ny asa izahay, ary ny antsasany kosa nitan-defona hatramin'ny mazavaratsy ka mandra-piposaky ny kintana. 16 Ary tamin'izany andro izany dia hoy koa aho tamin'ny olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo mbamin'ny zatovonareo, mba hiambina antsika raha alina ireo ary hiasa raha antoandro. 17 Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin'ny zatovoko sy ny mpiambina, izay nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo, sady tsy nisy nandro akory.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago