Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-161 @365
Herinandro faha-23 @52 |

Mpitsara 7

1 Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin'ny loharano Haroda; ary ny tobin'ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan'ny havoana More. 2 Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy. 3 Koa ankehitriny andeha miantso eo anatrehan'ny vahoaka hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin'ny tany havoan'i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa. 4 Fa hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin'ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao. 5 Ary dia nampidinin'i Gideona ho eo amin'ny rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay rehetra milelaka rano amin'ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika kosa hisotro dia atokàny koa. 6 Ary telon-jato lahy no isan'izay nanainga ny tànany tamin'ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano. 7 Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin'ny fonenany avy. 8 Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin'ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin'ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.
9 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mitsangàna, midina ho any amin'ny toby ianao; fa efa natolotro eo an-tananao io. 10 Fa raha matahotra hidina ianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin'ny toby Pora zatovonao; 11 dia ho renao izay lazain'ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin'ny toby. Dia nidina niaraka tamin'i Pora zatovony izy ho any an-tsisin'ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin'ny toby. 12 Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony. 13 Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin'ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin'ny tobin'ny Midina ka nankamin'ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay. 14 Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr'i Gideona, zanak'i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr'Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra. 15 Ary rehefa ren'i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin'ny tobin'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny tobin'ny Midiana. 16 Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tànany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin'ny siny. 17 Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin'ny sisin'ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa. 18 Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa ianareo, ka miantsoa hoe: An'i Jehovah sy Gideona! 19 Dia nankany amin'ny sisin'ny toby tamin'ny fiandohan'ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany. 20 Dia mba nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny fanilo teny an-tànany ankavia ary ny anjomara teny an-tànany ankavanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr'i Jehovah sy Gideona! 21 Ary samy nijanona teo amin'ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra. 22 Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin'i Jehovah tamin'ny sabatra ny miaramila eran'ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin'ny fari-tanin'i Abela-mehola akaiky an'i Tabata.
23 Dia nivory ny lehilahy amin'ny Isiraely avy tamin'ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana. 24 Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan'i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana. 25 Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan'i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago