Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-158 @365
Herinandro faha-23 @52 |

Mpitsara 3

Ny ratsy nataon'ny Isiraely, sy ny nanirahan'Andriamanitra mpitsara hamonjy azy. Ny tantaran'i Otniela sy Ehoda ary Samgara
1 Ary ny firenena navelan'i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana, 2 mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak'Isiraely izany amin'ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha; 3 dia ireo andriana dimy tamin'ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin'i Bala-hermona ka hatramin'ny lalana mankany Hamata. 4 Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin'i Jehovah, izay nasainy nandidian'i Mosesy ny razany, izy, na tsia.
5 Ary ny Zanak'Isiraely nonina teo amin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. 6 Ary naka ny zanakavavin'ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin'ny zanakalahin'ireny ka nanompo ny andriamaniny.
7 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanadino an'i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha. 8 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'i Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an'i Kosan-risataima valo taona ny Zanak'Isiraely. 9 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an'ny Zanak'Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba. 10 Ary ny Fanahin'i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, dia natolotr'i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an'i Kosan-risataima. 11 Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak'i Kenaza. 12 Fa nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ny zanak'Isiraely ary i Jehovah nampahery an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, hiady amin'ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy. 13 Dia nampiangona ny taranak'i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia. 14 Dia nanompo an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, valo ambin'ny folo taona ny Zanak'Isiraely. 15 Ary nitaraina tamin'i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak'i Gera, avy amin'ny taranak'i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, ny Zanak'Isiraely. 16 Ary nanao sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny halavany; dia nataony tao amin'ny fehin-kibony ambanin'ny akanjo fiadiany izany, teny am-balahany ankavanana. 17 Dia nitondra ny fanomezana ho an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona. 18 Ary rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany. 19 Fa nony tonga teo amin'ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy. 20 Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin'Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianana Eglona. 21 Ary naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny am-balahany ankavanana, dia natsatony tamin'ny kibon'i Eglona izany; 22 ary difotra mbamin'ny zarany, ka voasaron'ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin'ny kibony izy; ary niboroaka teo amin'ny vodiny izany. 23 Dia nivoaka teo amin'ny lavarangana Ehoda ka nandrindrina ny varavaran'ny trano ka nanidy azy tao. 24 Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon'i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran'ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha. 25 Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran'ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin'ny rihana ny tompony 26 Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Seirata. 27 Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin'ny tany havoana ny Zanak'Isiraely, ary izy no nitarika azy. 28 Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza. 29 Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin'izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza. 30 Dia resin'ny tanan'ny Isiraely ny Moabita tamin'izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany. 31 Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak'i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin'ny fanindronan-omby; dia namonjy ny Isiraely koa izy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago