Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-117 @365
Herinandro faha-17 @52 |

Mpitoriteny 6

Ny fahantran'ny sasany noho ny tsy ahitany soa amin'ny zavatra ananany
1 Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, ary mitambesatra amin'ny olona izany: 2 dia olona izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany na inona na inona iriny, nefa tsy omen'Andriamanitra fahefana hihinana amin'izany izy, fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy ratsy mahory koa izany. 3 Na dia misy miteraka zaza zato aza sady tratrantitra, ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa ny fanahiny, sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy izaho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy. 4 Fa toa zava-poana no nihavian'io, ary mandeha ao amin'ny maizina izy, sady ho voasaron'ny aizina ny anarany, 5 ary koa, tsy nahita na nahalala ny masoandro akory izy, mahita fitsaharana bebe kokoa noho ilay teo izy. 6 Eny, na dia tratra arivo taona indroa aza izy, nefa tsy nahita soa, tsy ho any amin'ny fitoerana iray ihany va no alehan'izy rehetra? 7 Ny fisasarana rehetra ataon'ny olona dia ho an'ny vavany ihany, nefa tsy mety afa-po ny faniriany. 8 Fa inona no soa azon'ny hendry noho ny adala? Inona no azon'ny malahelo izay mahay mitondra tena eo imason'ny velona? 9 Ny fahitan'ny maso dia mahafinaritra noho ny firenirenin'ny faniriana. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany. 10 Izay efa teo dia voalaza anarana hatry ny fony ela, ary fantatra fa ny olona dia tsy mahazo mifandahatra amin'izay mahery noho izy. 11Fa maro ny zavatra mahabe ny zava-poana, koa inona no soa azon'ny olona? 12 Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin'izao fiainana izao, dia ny andro vitsy mandalo foana izay laniny toy ny fihelin'ny aloka? Fa iza no hahalaza amin'ny olona izay zavatra ho avy any aoriany atỳ ambanin'ny masoandro?

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago