Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-341 @365
Herinandro faha-49 @52 |

Mika 5

Ny hahaterahan'ny Mesia, sy ny ho toetry ny fanjakany
1 Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan'ny arivon'i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan'Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay. 2 Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin'ny fotoana hiterahan'izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin'ny rahalahiny dia hiverina mbamin'2 ny Zanak'Isiraely. 3 Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin'ny herin'i Jehovah. Sy amin'ny voninahitry ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy. 4 Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin'ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin'ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika. 5 Ary handany ny tany Asyria amin'ny sabatra Sy ny tanin'i Nimroda ao an-tanànany ireo; Ary Izy hamonjy amin'ny Asyriana, Raha tonga amin'ny tanintsika sady manitsaka ato amin'ny fari-tanintsika ireny. 6 Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin'i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin'ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak'olombelona. 7 Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny jentilisa, Ao amin'ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin'ny biby any an'ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin'ny andian'ny ondry aman'osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy. 8 Aoka haingaina amin'ny rafilahinao ny tananao, Ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra. 9 Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao, Ary hofonganiko ny kalesinao, 10 Hofoanako ny tanàna amin'ny taninao, Ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra; 11 Hofoanako tsy hisy amin'ny tananao ny fankatovanao, Ary tsy hanana mpanandro intsony ianao. 12 Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra Sy ny tsangam-baton-tsampinao; Ary tsy hiankohoka eo anatrehan'ny asan'ny tananao intsony ianao. 13 Hongotako tsy ho eo aminao ny Aserahanao; Ary horavako koa ny tanànanao. 14 Ary ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago