Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-205 @365
Herinandro faha-30 @52 |

Matio 25

Ny fanoharana ny amin'ny virjiny folo
1 Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. 2 Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. 3 Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza; 4 ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany. 5 Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory. 6 Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy. 7 Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany. 8 Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay. 9 Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo. 10 Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana. 11 Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay. 12 Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo. 13 Koa amin'izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
Ny fanoharana ny amin'ny talenta
14 Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany: 15 koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,- samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy. 16 Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy. 17 Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony. 18 Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony. 19 Ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany. 20 Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho. 21 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao. 22 Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho. 23 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao. 24 Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafanao; 25 dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao. 26 Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako; 27 koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanàna vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany. 28 Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo. 29 Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. 30 Ary ario ho any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Ny hihavian'i Kristy hitsara ny firenena rehetra
31 Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy; 32 ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy; 33 ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin'ny ankaviany. 34 Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; 35 fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; 36 tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo. 37 Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? 38 Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay? 39  Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay? 40 Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. 41 Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny; 42 fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; 43 nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo. 44 Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? 45 Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. 46 Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago