Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro Voalohany @365
Herinandro Voalohany @52 |

Matio 2

Ny namangian'ny Magy sasany an'i Jesosy
1 Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an'i Jodia, tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe: 2 Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany. 3 Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin'i Jerosalema rehetra. 4 Dia namory ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin'ny vahoaka izy ka nanontany ary hoe: Aiza mba no hahaterahan'i Kristy? 5 Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an'i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany: 6 Ary ianao, ry Betlehema, tanin'ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin'ny andrianan'ny Joda ianao tsy akory; Fa avy ao aminao no hivoahan'izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko (Mik. 5.1).
7 Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan'ilay kintana. 8 Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin'ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany. 9 Ary rehefa nandre ny tenin'ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely. 10 Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra. 11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora. 12 Ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy tsy hiverina any amin'i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany.
Ny nitondran'i Josefa an'i Jesosy sy Maria nandositra nankany Egypta
13 Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanao hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny. 14 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta; 15 ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain'i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako (Hos. 11. 1).
Ny nampamonoan'i Heroda ny zazakely tao Betlehema
16 Ary nony efa fantatr'i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin'ny roa taona no ho midina, izay tao Betlehema sy tamin'ny manodidina rehetra, araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin'ny Magy. 17 Dia tanteraka izay nampilazaina an'i Jeremia mpaminany hoe: 18 Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, Ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny (Jer. 31. 15).
Ny nitondran'i Josefa an'i Jesosy sy Maria niverina tao Nazareta
19 Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tany Egypta tamin'ny nofy ka nanao hoe: 20 Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin'ny tanin'ny Isiraely; fa efa maty izay nitady ny ain'ny Zazakely. 21 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin'ny tanin'ny Isiraely. 22 Fa rehefa reny fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an'i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy, dia lasa nankany amin'ny tany Galilia. 23 Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin'ny tanàna atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: "Hatao hoe Nazarena Izy".

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago