Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-13 @365
Herinandro faha-2 @52 |

Matio 15

Tori-teny nataon'i Jesosy ny amin'ny fanaon-drazana
1 Dia nankeo amin'i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema ka nanao hoe: 2 Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina. 3 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? 4 Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17). 5 Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an'Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy. 6 Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. 7 Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Isaia anareo hoe: 8 Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy. 9 Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). 10 Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara: 11 tsy izay miditra amin'ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin'ny vava, izany no mahaloto ny olona. 12 Dia nankeo aminy ny mpianatra ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany? 13 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana. 14 Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa. 15 Ary Petera namaly ka nanao taminy hoe: Lazao aminay ny hevitr'izany fanoharana izany. 16 Ary hoy Jesosy: Hianareo koa va mbola tsy mahafantatra ihany? 17 Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin'ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin'ny fivoahana? 18 Fa izay mivoaka avy amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona. 19 Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan'olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy; 20 izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin'ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago