Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-48 @365
Herinandro faha-7 @52 |

Marka 13

Ny nanambaran'i Jesosy ny handravana an'i Jerosalema, sy ny hihaviany indray
1 Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto! 2 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. 3 Ary raha nipetraka teo amin'ny tendrombohitra Oliva tandrifin'ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe: 4 Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany? 5 Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. 6 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany. 7 Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany. 8 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin'ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan'ny fahoriana. 9 Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy. 10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. 11 Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. 12 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy. 13 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. 14 Fa raha hitanareo mitsangana amin'izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia. 15 Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony. 16 Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. 17 Ary lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! 18 Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina izany. 19 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan'Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony. 20 Ary raha tsy nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany. 21 Ary amin'izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ ; aza mino ianareo. 22 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany. 23 Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo raha-teo ny zavatra rehetra. 24 Fa amin'izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana, 25 ary ny kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin'ny lanitra. 26 Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny voninahitra. 27 Ary amin'izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra. 28 Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. 29 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy. 30 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany. 31 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. 32 Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. 33 Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana. 34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara; 35 Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, 36 fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory. 37 Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa : Miambena.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago