Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-363 @365
Herinandro faha-52 @52 |

Malakia 1

Ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra ny Isiraely, sy ny nanamavoan'ireny ny anarany sy ny fombam-pivavahana aminy
1 Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah nampitondrainy an'i Malakia ho amin'ny Isiraely. 2 Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin'i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako, 3 fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an'ny amboadia any an-efitra. 4 Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary dia hatao hoe tanin'ny faharatsiana, dia firenena tezeran'i Jehovah mandrakizay, ireo. 5 Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin'ny Isiraely. 6 Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon'ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako. nefa manao hoe: Amin'inona no anamavoanay ny anaranao? 7 Amin'ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin'ny alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin'inona no andotoanay Anao ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr'i Jehovah dia fanazimbazimba. 8 Ary raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra, tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy hoe izany! Atero ho an'ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah Tompon'ny maro. 9 Koa masìna ianareo, andeha mifona amin'Andriamanitra hamindrany fo amintsika fa ny tananareo no nahatonga izany, moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 10 Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin'ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin'ny tananareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 11Fa hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin'ny jentilisa, ary any amin'ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an'ny anarako; fa lehibe any amin'ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 12 Fa ianareo kosa manamavo izany amin'ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr'i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona. 13 Hoy koa ianareo: Tsy mba hasasarana lahy ! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin'ny tenanareo va Aho ? hoy Jehovah. 14 Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin'ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an'ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin'ny jentilisa.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago