Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-91 @365
Herinandro faha-13 @52 |

Lioka 24

Ny nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty, sy ny nisehoany tamin'ny mpianany, ary ny niakarany ho any an-danitra
1 Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny. 2 Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana. 3 Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin'i Jesosy Tompo. 4 Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra. 5 Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona? 6 Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe: 7 Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo. 8Dia nahatsiaro ny teniny izy. 9 Ary niverina niala tamin'ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy sy ny namany rehetra. 10 Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin'i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman'ireo koa dia nilaza izany tamin'ny Apostoly. 11 Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany. 12 Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin'ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.
13 Ary, indreo, nisy roa lahy tamin'ireny nandeha tamin'izany andro izany hankany amin'ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio raha any Jerosalema. 14 Dia niresaka ny amin'izay zavatra rehetra nanjo izy. 15 Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy. 16 Nefa ny mason'ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy. 17 Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy. 18 Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin'izao andro izao? 19 Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin'i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin'ny asa sy ny teny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra, 20 dia ny amin'ny nanoloran'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin'ny hazo fijaliana. 21 Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr'izay nahatongavan'izany. 22 Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin'ny fasana maraina koa izy, 23 ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy. 24 Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin'ny fasana, ary nahita araka izay nolazain'ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany. 25 Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain'ny mpaminany. 26 Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin'ny voninahiny? 27 Dia nanomboka hatramin'i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin'ny Soratra Masina rehetra. 28 Ary efa mby teo akaikin'ny vohitra izay efa halehan'izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa. 29 Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy. 30 Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy. 31 Dia nahiratra ny mason'ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany. 32 Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika? 33 Dia niainga tamin'izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin'ny folo lahy mbamin'izay nomba azy tafangona teo 34 sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin'i Simona. 35 Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalàna sy ny nahafantarany Azy tamin'ny namakiana ny mofo. 36 Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo. 37 Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy. 38 Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo? 39 Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao. 40 Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony. 41 Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo? 42 Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono Izy. 43 Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany. 44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. 45 Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. 46 Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo; 47 ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. 48 Ary ianareo no vavolombelon'izany. 49 Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo.
50 Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy. 51 Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra. 52 Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra. 53 Ary teo an-kianjan'ny tempoly isan'andro izy nankalaza an'Andriamanitra.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago