Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-271 @365
Herinandro faha-39 @52 |

Lioka 21

Ny nideran'i Jesosy ilay mpitondratena nandatsaka farantsakely roa
1 Ary Jesosy nanopy ny masony nahita ny mpanankarena mandatsa-drakitra tao amin'ny fandatsahan-drakitra; 2 ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa teo Izy. 3 Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra. 4 Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany no nandatsahany tao amin'ny rakitra; fa izy kosa tamin'ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.
Ny nanambaran'i Jesosy ny handravana an'i Jerosalema, sy ny hihaviany indray
5 Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy: 6 Ny amin'ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. 7 Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany? 8 Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy. 9 Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin'izay ny farany. 10 Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana. 11 Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra. 12 Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako. 13 Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany. 14 Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo; 15 fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na resena. 16 Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny. 17 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. 18 Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza. 19 Amin'ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo. 20 Ary raha mahita an'i Jerosalema voahodidin'ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. 21 Ary izay any Jodia amin'izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony. 22 Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra. 23 Fa lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany ary fahatezerana amin'ity firenena ity. 24 Dia ho ringana amin'ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon'ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin'ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron'ny jentilisa. 25 Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany, 26 ka ho reraka ny fon'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia hohozongozonina. 27 Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. 28 Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo. 29 Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra. 30 Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona. 31 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. 32 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany. 33 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. 34 Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. 35 Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra etỳ ambonin'ny tany rehetra izany. 36 Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.
37 Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva. 38 Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly hihaino Azy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago