Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-270 @365
Herinandro faha-39 @52 |

Lioka 20

Ny nanontanian'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona an'i Jesosy ny amin'ny fahefany, ary ny fanoharana navalin'i Jesosy azy
1 Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra ny olona teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nitory ny filazantsara, dia nanatona ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona 2 ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana izany? 3 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko: 4 Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? 5 Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo? 6 Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona. 7 Dia namaly ireo fa tsy fantany izay nihaviany. 8 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao. 9 Dia nilaza izao fanoharana izao tamin'ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy. 10 Ary tamin'ny fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin'ny mpiasa tany izy mba handray amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka azy ka nampandeha azy maina. 11 Dia naniraka mpanompo anankiray koa izy; ary nokapohiny mafy koa iny sady nalany baraka ka nampandehaniny maina. 12 Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny. 13 Dia hoy ny tompon'ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy. 14 Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova. 15 Dia namoaka azy tany ivelan'ny tanim-boaloboka izy ka namono azy. Hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka ahoana moa izy amin'izany? 16 Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany! 17 Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro? (Sal. 118. 22). 18 Izay rehetra potraka amin'izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo.
Ny nanontaniana an'i Jesosy ny amin'ny mandoa vola hetra ho an'ny Kaisara
19 Ary tamin'izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan'ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin'izany fanoharana izany. 20 Ary nizaha taratra an'i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin'ny teniny, hanolorany Azy ho amin'ny hery sy ny fahefan'ny governora. 21 Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan'olona, fa mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra: 22 Mety va raha mandoa vola hetra ho an'i Kaisara izahay, sa tsia? 23 Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe: 24 Mampisehoa denaria amiko. An'iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An'i Kaisara. 25 Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. 26 Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan'ny olona izany teny izany sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina.
Ny nanontanian'i Jesosy ny Fariseo ny amin'izay maha-Zanak'i Davida ny Mesia
27 Ary ny sasany tamin'ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe: 28 Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5). 29 Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba. 30 Ary ny faharoa 31 sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon'izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy. 32 Ary farany dia maty koa ravehivavy. 33 Koa amin'ny fitsanganan'ny maty ho vadin'iza moa ravehivavy? fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy. 34 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak'izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina; 35 fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin'ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina; 36 ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin'ny anjely sady zanak'Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin'ny maty. 37 Ary Mosesy aza nanambara teo amin'ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an'i Jehovah hoe Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6). 38 Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona; fa velona ho an'Andriamanitra avokoa izy rehetra. 39 Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao. 40 Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo. 41 Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak'i Davida? 42 Fa Davida ihany no milaza eo amin'ny bokin'ny Salamo hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana 43 Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran'ny tongotrao (Sal. 110. 1). 44 Davida amin'izany manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no maha-Zanany Azy?
Ny nilazan'i Jesosy ny faharatsian'ny mpanora-dalana sy ny Fariseo
45 Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany teo anatrehan'ny olona rehetra: 46 Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain'ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana, 47 ary mandany ny tranon'ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago