Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-266 @365
Herinandro faha-38 @52 |

Lioka 16

Ny fanoharana ny amin'ilay mpitandrina tsy marina
1 Ary hoy koa Jesosy tamin'ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain'olona taminy fa mandany ny fananany. 2 Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin'ny fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao. 3 Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin'ny tompoko amin'ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy. 4 Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin'ny fitandremana ny fananana aho. 5 Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin'ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin'ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan'ny tompoko aminao? 6 Ary hoy io: Diloilo injaton'ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimam-polo no soraty. 7 Dia hoy izy tamin'ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no trosa aminao? Ary hoy izy: Vary injaton'ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao ka valo-polo no soraty. 8 Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak'izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin'ny karazany noho ny zanaky ny mazava. 9 Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin'ireo ho any amin'ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany. 10 Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be. 11 Koa raha tsy mahatoky amin'ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin'ny tena harena? 12 Ary raha tsy mahatoky amin'izay an'olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? 13 Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo.
Ny nananaran'i Jesosy ny Fariseo, sy ny nilazany ny amin'ilay mpanan-karena sy Lazarosy
14 Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an'i Jesosy. 15 Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan'ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin'ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra. 16 Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo. 17 Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan'ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan'ny tendron-tsoratra iray monja aza amin'ny lalàna. 18 Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa. 19 Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan'andro tamin'ny fahafinaretana. 20 Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny; 21 ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy ka nilelaka ny feriny. 22 Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina; 23 ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany. 24 Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity. 25 Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay . ary ianao kosa no fadiranovana. 26 Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny. 27 Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko 28 (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tongay amin'ity fijaliana ity koa izy. 29 Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy. 30 Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy. 31 Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago