Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-79 @365
Herinandro faha-12 @52 |

Lioka 11

Ny nampianaran'i Jesosy ny mpianany hivavaka
1 Ary Jesosy nivavaka tao amin'ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran'i Jaona ny mpianany. 2 Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Ray ô hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. 3 Omeo anay isan'andro izay hanina sahaza ho anay. 4 Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy. 5 Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho; 6 fa ny sakaizako nandeha tamin'ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy; 7 ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho? 8 Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra ka hanome azy izay ilainy. 9 Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. 10 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. 11 Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano? 12 ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka? 13 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?
Ny nahasitranan'i Jesosy ny demoniaka anankiray, sy ny namaliany ny teny ratsy nataon'ny Fariseo
14 Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka. 15 Fa hoy ny sasany; Belzeboba, lohan'ny demonia, no amoahany ny demonia. 16 Fa ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana taminy avy any an-danitra. 17 Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano. 18 Ary raha Satana koa aza no miady an-trano, ahoana no haharetan'ny fanjakany? Fa hoy ianareo: Belzeboba no amoahako ny demonia. 19 Fa raha Izaho mamoaka demonia amin'ny herin'i Belzeboba, dia amin'ny herin'iza kosa no amoahan'ny zanakareo azy? koa amin'izany dia ho mpitsara anareo ireo. 20 Fa raha ny rantsan-tànan'Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra. 21 Raha ny mahery mivonona amin'ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany. 22 Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy. 23 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka. 24 Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho. 25 Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano. 26 Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany.
Anatra nataon'i Jesosy tamin'ny vehivavy anankiray sy tamin'ny olona maro izay niangona hihaino Azy
27 Ary raha nilaza izany Jesosy, dia nisy vehivavy anankiray teo amin'ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao. 28 Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany. 29 Ary raha mbola niangona ny vahoaka betsaka, dia nilaza hoe Izy: Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona; 30 Fa tahaka an'i Jona izay famantarana tamin'ny Ninivita, dia ho toy izany koa ny Zanak'olona amin'ity taranaka ity. 31 Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin'ny lehilahy amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto. 32 Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, fa izy nibebaka tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto. 33 Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava. 34 Ny masonao no jiron'ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao. 35 Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao. 36 Ary amin'izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao.
Ny nihinanan'i Jesosy tao an-tranon'ny Fariseo anankiray sy ny nilazany ny faharatsian'ny Fariseo
37 Ary raha mbola niteny Jesosy, dia nisy Fariseo nampiantrano Azy hisakafo ao aminy; dia niditra Izy ka nipetraka nihinana. 38 Fa gaga ilay Fariseo, raha nahita fa tsy nisasa Izy vao nihinana. 39 Fa hoy ny Tompo taminy: Ankehitriny ianareo Fariseo dia manadio ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno rombaka sy faharatsiana. 40 Ry adala! Tsy izay nanao ny vohony va no nanao ny atiny koa? 41 Fa ny zavatra eo anatiny no aoka homenareo ho fiantrana, dia, indro, madio ho anareo ny zavatra rehetra. 42 Fa lozanareo, Fariseo! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an'Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana. 43 Lozanareo, Fariseo! fa tia ny fipetrahana aloha ao amin'ny synagoga sy ny fiarahabana any an-tsena ianareo. 44 Lozanareo, fa ianareo dia tahaka ny fasana tsy hita, ka tsy fantatry ny olona izay manitsaka azy. 45 Ary ny anankiray tamin'ny mpahay lalàna namaly ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, raha miteny izany Hianao, dia manala baraka anay koa. 46 Fa hoy Jesosy: Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa mampitondra ny olona entana sarotra entina ianareo, nefa tsy manendry izany entana izany akory ianareo, na dia amin'ny rantsan-tananareo iray aza. 47 Lozanareo! fa manao ny rarivatom-pasan'ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy. 48 Dia vavolombelona ianareo ka manaiky ny asan'ny razanareo; fa izy no namono azy, ary ianareo kosa manao ny rarivatom-pasany. 49 Koa izany no nanambaran'ny fahendren'Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny, ary ny sasany henjehiny, 50 mba hadinina amin'ity taranaka ity ny ran'ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao, 51 dia hatramin'ny ran'i Abela ka hatramin'ny ran'i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan'ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin'ity taranaka ity izany. 52 Lozanareo, mpahay lalàna! satria nalainareo ny fanalahidin'ny fahalalana; ianareo tsy niditra, ary izay te-hiditra dia nosakananareo. 53 Ary raha niala teo Izy, dia noteren'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo fatratra sady nadinadininy zavatra maro. 54 Dia nihendry Azy izy ireo hamandrihany Azy tamin'ny teny naloaky ny vavany.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago