Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-61 @365
Herinandro faha-9 @52 |

Levitikosy 7

1 Ary izao no lalàna ny amin'ny fanati-panonerana: masina dia masina izany. 2 Eo amin'izay famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia hatopiny manodidina amin'ny lafin'ny alitara. 3 Ary dia hateriny avokoa ny hofany sy ny saborany rehetra, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy 4 ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hatao indray manala amin'ny voany no fanaisony izany. 5 Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ireo ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanati-panonerana izany. 6 Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin'izay fitoerana masina no hihinanany azy: masina dia masina izany. 7 Ho tahaka ny fanatitra noho ny ota ny fanati-panonerana, ka lalàna iray no ho amin'izy roa: ho an'ny mpisorona izay manao fanavotana aminy izany. 8 Ary ilay mpisorona manatitra ny fanatitra dorana izay aterin'ny olona dia hahazo ny hoditr'izany fanatitra dorana nateriny izany. 9 Ary ny fanatitra hohanina rehetra izay voaendy am in'ny fanendasa-mofo sy izay rehetra atao amin'ny vilany fandrahoana, na amin'ny lapoely, dia ho an'ilay mpisorona manatitra azy. 10 Fa ny fanatitra hohanina rehetra, izay voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an'ny zanak'i Arona rehetra kosa, ka hiara-misalahy izy.
11 Ary izao no lalàna ny amin'ny fanati-pihavanana izay haterina ho an'i Jehovah: 12 Raha misy manatitra izany ho fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo izay tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo ary mofo atao amin'ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo. 13 Ary miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana. 14 Ary hangalany iray avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an'i Jehovah; ho an'ilay mpisorona manopy ny ran'ny fanati-pihavanana izany. 15 Ary ny henan'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin'ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina. 16 Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin'ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson'iny no hihinanana izay ambiny. 17 Fa ny sisa amin'ny henan'ny fanatitra dia hodorana amin'ny afo amin'ny andro fahatelo. 18 Ary raha tahìny hihinanana amin'ny andro fahatelo ny henan'ny fanati-pihavanana, na dia kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an'izay manatitra azy izany, fa fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin'izany dia ho meloka. 19 Ary na ny hena izay mikasika zava-maloto aza dia tsy hohanina, fa hodorana amin'ny afo; ary ny amin'ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy; 20 fa ny olona izay misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin'ny fanati-pihavanana, izay an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. 21 Ary ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan'olona, na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin'ny henan'ny fanati-pihavanana izay an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. 22 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 23 Mitenana amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Aza mihinana sabora akory ianareo, na ny an'ny omby, na ny an'ny ondry, nany an'ny osy. 24 Ary ny saboran'ny biby izay maty ho azy sy ny saboran'izay noviraviraim-biby dila azo atao amin'ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo. 25 Fa izay rehetra mihinana saboran'ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. 26 Ary aza mihinana rà eny amin'izay rehetra itoeranareo, na ny an'ny vorona, na ny an'ny biby fiompy. 27 Izay rehetra mihinana rà dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
28 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 29 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izay manatitra ny fanati-pihavanany ho an'i Jehovah dia hitondra ny fanatiny ho an'i Jehovah avy amin'ny fanati-pihavanany. 30 Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ny saborany mbamin'ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah. 31 Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an'i Arona sy ireo zanany. 32 Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin'ny fanati-pihavananareo. 33 Ny anankiray amin'ny zanak'i Arona izay manatitra ny ran'ny fanati-pihavanana sy ny saborany no hanana ny soroka ankavanana ho anjarany. 34 Fa ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandrata dia efa nalaiko tamin'ny Zanak'Isiraely avy amin'ny fanati-pihavanany, ary nomeko ho an'i Arona mpisorona sy ny zanany, ho anjarany mandrakizay avy amin'ny Zanak'Isiraely. 35 Izany no anjaran'i Arona sy ny zanany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, amin'ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an'i Jehovah, 36 dia izay nandidian'i Jehovah homena azy avy amin'ny Zanak'Isiraely amin'ilay andro anosorana azy, ho anjarany mandrakizay amin'ny taranany hatramin'ny fara mandimby. 37 Izany no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana, 38 izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy tao amin'ny tendrombohitra Sinay, tamin'ny andro izay nandidiany ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah, tany an-efitr'i Sinay.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago