Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-59 @365
Herinandro faha-9 @52 |

Levitikosy 3

Ny fanati-pihavanana
1 Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan'i Jehovah. 2 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara. 3 Dia hangalan'ny mpisorona ny fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy 4 sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany. 5 Ary ireo zanak'i Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra dorana izay eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany. 6 Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hateriny. 7 Raha zanak'ondry no hateriny ho fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy. 8 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara. 9 Ary hangalan'ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin'ny faran'ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy 10 ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany. 11 Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
12 Ary raha osy no fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy. 13 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara. 14 Ary avy aminy no hanaterany ny fanatiny atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy 15 ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany. 16 Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an'i Jehovah ny sabora rehetra. 17 Izao no ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby eny amin'izay rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago