Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-75 @365
Herinandro faha-11 @52 |

Levitikosy 24

1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Mandidia ny Zanak'Isiraely hitondra aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva. 3 Eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin'ny trano-lay fihaonana, no handaharan'i Arona azy, hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina, eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany. 4 Eo amin'ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah. 5 Ary makà koba tsara toto, ka endaso ho mofo roa ambin'ny folo; roa ampahafolon'ny efaha no hatao mofo iray. 6 Ary mandahara ireo eo ambonin'ny latabatra tsara eo anatrehan'i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana. 7 Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin'ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah. 8 Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah; ho avy amin'ny Zanak'Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay. 9 Ary ho an'i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin'izay fitoerana masina; fa masina dia masina ho an'ny mpisorona izany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo: lalàna mandrakizay izany.
Ny amin'ny fampijaliana izay miteny ratsy ny anaran'i Jehovah mbamin'ny valin'ny famonoana
10 Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin'ny Zanak'Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray. 11 Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin'i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin'i Dibry avy tamin'ny firenen'i Dana izy); 12 ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay ho didin'i Jehovah. 13 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 14 Avoahy ho eny ivelan'ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin'ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy. 15 Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an'Andriamaniny dia ho meloka, 16 Fa izay miteny ratsy ny anaran'i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy. 17 Ary izay mahafaty olona dia hatao maty tokoa. 18 Fa izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy: biby solon'ny biby. 19 Ary raha misy obona manakilema ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy kosa: 20 tapaka solon'ny tapaka, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin'ny olona no hatao aminy kosa. 21 Ary izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hatao maty. 22 Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 23 Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, dia navoakany teny ivelan'ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago