Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-317 @365
Herinandro faha-46 @52 |

Kolosiana 1

Fitarihan-teny
1 Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy, 2 mamangy ny olona masina any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin'i Kristy: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika. 3 Misaotra an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin'ny fangatahanay mandrakariva ho anareo, 4 rehefa renay ny finoanareo an'i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra, 5 noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara, 6 izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin'izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin'ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina; 7 tahaka ny efa renareo tamin'i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon'i Kristy mahatoky ho anay, 8 sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin'ny Fanahy.
9 Ary noho izany izahay koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy, 10 mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra sady mitombo amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra, 11 ary ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny herin'ny voninahiny ho amin'ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin'ny hafaliana, 12 ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava, 13 sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, 14 Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika. 15 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao; 16 fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; 17 ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.
Fivavahan'i Paoly ho an'ny Kolosiana, sy filazana ny fahalehibiazan'ny voninahitr'i Kristy
18 Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. 19 Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra, 20 sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin'ny tany, na ny any an-danitra. 21 Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny 22 tao amin'ny tenan'ny nofony, tamin'ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany, 23 raha maharitra amin'ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo. 24 Ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin'ny nofoko izay tsy vita tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, dia ny fiangonana, 25 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran'Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra, 26 dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin'ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin'ny olony masina, 27 izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra; 28 Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra. 29 Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan'ny herin'ilay miasa mahery ato anatiko.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago