Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-139 @365
Herinandro faha-20 @52 |

Josoa 3

Ny nitan'ny Zanak'Isiraely an'i Jordana, sy ny tsangam-bato nataony tao Gilgala, ary ny tahotry ny Amorita sy ny Kananita tamin'izany
1 Dia nifoha maraina koa Josoa; ary ny olona dia niala tany Sitima ka nankany Jordana, dia Josoa sy ny Zanak'Isiraely rehetra, ary nitoetra teo izy aloha vao nita. 2 Ary rehefa afaka hateloana, dia nandeha namaky ny toby ny mpifehy 3 ka nandidy ny olona hoe: Rehefa hitanareo ny fiaran'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo ary ny Levita mpisorona mitondra azy, dia mialà amin'izay itoeranareo, ka manaraha azy 4 (kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao. 5 Ary hoy Josoa tamin'ny olona: Manamasina ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.
6 Ary niteny tamin'ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ka mità eo anoloan'ny olona. Dia nitondra ny fiaran'ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan'ny olona. 7 Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason'ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa. 8 Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra amin'ny moron'i Jordana ianareo, dia mijanòna eo Jordana ihany.
9 Ary Josoa nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Mankanesa atỳ, ka mihainoa ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo. 10 Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita: 11 Indro, ny fiaran'ny faneken'ny Tompon'ny tany rehetra no mandroso eo alohanareo ho eo Jordana; 12 koa ankehitriny mangalà lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny firenen'Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena; 13 ary raha vao mijanona eo amin'ny rano Jordana ny faladian'ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra.
14 Ary raha niala tamin'ny lainy hita an'i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny fanekena eo alohan'ny olona, 15 ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin'ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra Jordana mandritra ny fararano), 16 dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin'ny tanàna Adama, izay eo anilan'i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin'ny ranomasin'ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin'i Jeriko. 17 Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nijoro tsara tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy rehetra an'i Jordana.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago