Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-156 @365
Herinandro faha-23 @52 |

Josoa 24

Ny nahafatesan'i Josoa sy Eleazara, sy ny nandevenana ny taolan'i Josefa
1 Ary Josoa nanangona ny firenen'ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon'ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo. 2 Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin'ny Ony no nonenan'ny razanareo tany aloha. dia Tera, rain'i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy. 3 Dia naka an'i Abrahama razanareo avy tany an-dafin'ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an'Isaka ho zanany. 4 Ary Isaka koa dia nomeko an'i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan'i Esao ny tendrombohitra Seira; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta. 5 Dia naniraka an'i Mosesy sy Arona Aho ka namely an'i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho. 6 Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin'ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin'ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly. 7 Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana,sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo. 8 Ary nentiko ho any amin'ny tanin'ny Amorita, izay nonina tany an-dafin'i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba handovanareo ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho. 9 Dia nitsangana Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, ka niady tamin'ny Isiraely; dia naniraka ka nampaka an'i Balama, zanak'i Beora, izy hanozona anareo. 10 Fa tsy nety nihaino an'i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin'ny tànany Aho. 11 Ary nita an'i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin'ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny. 12 Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra, Izay nandroaka azy teo anoloanareo, dia ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, fa tsy tamin'ny sabatrao. na tamin'ny tsipìkanao. 13 Ary nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo ka dia nonina tao ianareo; ary nihinana ny avy amin'ny tanim-boaloboka sy ny tanin'oliva izay tsy nataonareo ianareo. 14 Koa ankehitriny, matahora an'i Jehovah, ka manompoa Azy amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an'i Jehovah. 15 Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay. 16 Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an'i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa. 17 Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tany amin'ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin'ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin'ny firenena rehetra izay notetezintsika. 18 Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin'ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an'i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.
19 Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy mahay manompo an'i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo. 20 Raha mahafoy an'i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa. 21 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay. 22 Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Vavolombelona ho an'ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an'i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay . 23 Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo. 24 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay 25 Ary dia nanao fanekena tamin'ny vahoaka Josoa tamin'izany andro izany ka nanome azy lalàna sy didy tany Sekema. 26 Dia nosoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra ireo teny ireo. ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin'ny hazo terebinta, izay teo anilan'ny fitoera-masin'i Jehovah. 27 Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain'i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin'Andriamanitrareo ianareo. 28 Dia nampodin'i Josoa ny vahoaka samy ho any amin'ny lovany avy.
29 Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia maty Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny. 30 Dia nalevina tao amin'ny faritanin'ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
31 Ary nanompo an'i Jehovah ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny andro rehetra niainan'ny loholona izay velona taorian'i Josoa ka nahalala ny asa rehetra izay nataon'i Jehovah ho an'ny Isiraely
32 Ary ny taolan'i Josefa, izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin'ny tany izay novidin'i Jakoba volafotsy zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema; dia tonga lovan'ny taranak'i Josefa izany. 33 Dia maty koa Eleazara, zanak'i Arona, ka naleviny teo amin'ny havoan'i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin'ny tany havoan'i Efraima.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago