Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-335 @365
Herinandro faha-48 @52 |

Jona 1

Ny nanirahan'Andriamanitra an'i Jona hankany Ninive, sy ny nandosirany, ary ny nanjo azy noho izany
1 Ary tonga tamin'i Jona, zanak'i Amitahy, ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 2 Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin'ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany. 3 Nefa Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan'i Jehovah; ary nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin'ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan'i Jehovah. 4 Fa Jehovah nahatonga rivotra mahery teny ambonin'ny ranomasina, dia nanonja mafy ny ranomasina, ka dia efa nila ho vaky ny sambo. 5 Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin'ny andriamaniny avy sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra tao an-tsambo mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry renoky ny torimaso. 6 Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka nanao taminy hoe: Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika. 7 Ary dia samy nanao tamin'ny namany hoe izy: Avia isika hanao filokana mba hizahantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika. Dia nanao filokana izy, ka Jona no azo. 8 Dia hoy ireo taminy: Masìna ianao, lazao aminay: Noho ny amin'iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona no raharaha fanaonao? Ary avy taiza ianao? Aiza no taninao? Ary avy amin'ny firenen'iza ianao? 9 Dia hoy izy tamin'ireo: Hebreo aho; ary Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina. 10 Dia raiki-tahotra indrindra ny olona ka nanao taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Fa fantany fa nandositra hiala eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nambarany taminy izany. 11 Dia hoy ireo taminy: Hataonay ahoana ary ianao mba hahatony ny ranomasina aminay? Fa mbola nihananonja ihany ny ranomasina. 12 Ary hoy izy tamin'ireo: Betao aho, ka atsipazo any anatin'ny ranomasina hahatony ny ranomasina aminareo; fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo. 13 Nefa namaky onja fatratra ny olona mba hamerina ny sambo ho amin'ny tany maina, fa tsy zakany, satria ny ranomasina mbola nihananonja mafy taminy. 14 Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty izahay noho ny amin'ny ain'ity lehilahy ity ary aza atao ho mpandatsaka rà marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao. 15 Dia nobetain'izy ireo Jona ka natsipiny tany anatin'ny ranomasina; ary dia nitsahatra ny fisafoaky ny ranomasina. 16 Dia natahotra an'i Jehovah indrindra ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah sady nivoady.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago