Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-341 @365
Herinandro faha-49 @52 |

Joba 9

Ny teny navalin'i Joba
1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra?
3 Raha te-hifandahatra aminy izy,dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin'ny arivo aza.
4 Hendry am-po Izy sady matanjaka amin'ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
5 Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin'ny fahatezerany,
6 Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin'ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;
7 Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
8 Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;
9 Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,
10 Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
11 Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
12 Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
13 Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.
14 Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;
15 Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany heriko.
16 Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
17 Fa manorotoro ahy amin'ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
18 Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
19 Raha ny amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
20 Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
21 Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
22 Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
23 Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.
24 Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
25 Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
26 Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.
27 Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
28 Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
29 Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
30 Na dia mandro amin'ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin'ny ranon-davenona,
31 Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin'izay Hianao, ka hataon'ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
32 Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin'ny fitsarana.
33 Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
34 Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,
35 Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago