Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-353 @365
Herinandro faha-51 @52 |

Joba 24

1 Nahoana no tsy misy fotoan'andro voatendrin'ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan'ny mahalala Azy izany androny Izany?
2 Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman'ondry sady miandry azy.
3 Mandroaka ny borikin'ny kamboty izy, ary maka ny ombin'ny mpitondratena ho tsatòka.
4 Manosika ny mahantra hiala amin'ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin'ny tany.
5 Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak'ireny ho amin'ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an'ny zanany.
6 Any an-tsaha izy maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.
7 Mandry mitanjaka amin'ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin'ny hatsiaka;
8 Kotsan'ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin'ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana.
9 Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin'ny ory.
10Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary.
11 Manao diloilo eo anatin'ny tambohon'ny mpampahory azy izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany.
12 Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin'ny voalefona; Nefa tsy ahoan'Andriamanitra akory ny ratsy atao.
13 Ireny no mpikomy amin'ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin'ny alehany.
14 Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.
15 Ny mason'ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy.
16 Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy;
17 Fa ny aizim-pito no marainan'ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran'ny aizim-pito izy.
18 Mitsinkafona paohin'ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin'ny tany; Tsy mivily ho amin'ny lalana mankeny amin'ny tanim-boaloboka izy.
19 Toy ny andevonan'ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan'ny fiainan-tsi-hita ny mpanota.
20 Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an'ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy,
21 Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.
22 Kanefa halavain'Andriamanitra amin'ny heriny ny andron'ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.
23 Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.
24 Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary.
25 Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago