Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-351 @365
Herinandro faha-51 @52 |

Joba 21

Ny teny navalin'i Joba
1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.
3 Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.
4 Raha ny amiko, moa ny ataon'ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?
5 Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.
6 Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:
7 Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
8 Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.
9 Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy.
10 Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
11 Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman'osy izy, ka mikoriana ny zanany.
12 Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin'ny feon-tsodina.
13 Mandany ny androny amin'ny fahafinaretana izy; Amin'ny indray mipi-maso monja no idinany any amin'ny fiainan-tsi-hita.
14 Kanefa anie ireo no manao amin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
15 Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?
16 Indro, tsy avy amin'ny tenany ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy!
17 Indraindray foana no mba maty ny jiron'ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran'Andriamanitra fandrika ireny noho ny fahatezerany,
18 Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin'ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin'ny tafio-drivotra.
19 Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan'ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
20 Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran'ny Tsitoha.
21 Fa mampaninona azy moa ny amin'ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan'ny androny?
22 Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra aza?
23 Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;
24 Feno ronono ny fitoeran-drononony, ary vonton-tsoka ny taolany.
25 Ary ny anankiray maty amin'ny fahorian'ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.
26 Samy mandry ao amin'ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.
27 Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;
28 Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon'ny mpitohatoha? Ary aiza ny lay fitoeran'ny ratsy fanahy?
29 Kanefa tsy mba nanontany tamin'ny mpandeha amin'ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, ambaran'Ireo hoe:
30 Amin'ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin'ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?
31 Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy?
32 Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana ao am-pasana;
33 Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan'ny maro tany alohany.
34 Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago